Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ivon’ny fankalazana: 30 taona ny Faribolana Sandratra

Ivon’ny fankalazana: 30 taona ny Faribolana Sandratra

Notetezin’ny vanim-potoana, hatramin’izao, mbola eo hatrany…«  Iainako ny teniko, hanamasina ny taniko », teny faneva entin’ny Faribolana Sandratra hanamarihana ny faha-30 taony. Hisokatra ao amin’ny Tranombokimpirenena Anosy, ny marain’ny talata 17 septambra izao, ny ivon’ny fankalazana ity vanim-potoana lehibe ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’izany ny ranty nanamarika ny fiainana sy ny lalana samihafa nolalovan’ny Faribolana Sandratra nandritra izay 30 taona izay. Fampirantiana boky mirakitra ny sanganasan’ny mpiray faribolana. Ao koa ny fanehoana ny mombamomba ny mpanoratra tsirairay avy. Handravaka ireo, antsan-tononkalo. Hisy ny fihaonana mivantana amin’ireo mpanoratra sy ny poeta mpiray faribolana, arahina vela-kevitra momba ny riankalo, ny tokatoka, ny sovaramita, sns, ny alarobia 18 septambra, amin’ny 3 ora tolakandro.

Namolavola mpanoratra sy poeta maro manana ny maha izy azy ny Faribolana Sandratra. Tao ireo efa nianika ny habakabaka, izay zary tonga kintana toa an’ i Elie Rajaonarison sy i Solofo José. Ao ireo andrarezin’ny vanim-potoana « mpampita fanilo » tahaka an’i Ranöe, sy i Niry Solosoa ary i Nalisoa Ravalitera. Ireo « zandrikely » mpanodina ny Faribolana Sandratra mitsoka ny afon’ny literatiora hiredareda hatrany.

Narilala sy HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.