Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetsiky ny polisy: mpanendaka roa voasambotra

Mitohy ny hetsika manerana ny Renivohitra fisafoana ataon’ny polisy. Tao anatin’ny roa andro, miisa roa ny mpanendaka tra-teaky ny mpitandro filaminana. Araka ny loharanom-baovao, noratran’ny mpanendaka miisa telo, ny rangahy lehibe iray, teny Andraharo manodidina ny tamin’ny 7 ora hariva ka vaky nandritra izany ny lohany sy ny orony. Raha ny fanazavana voaray, nikasa hanendaka ity rangahy ity ireto lehilahy telo ireto saingy, nirifatra avy hatrany nitsoaka kosa izy ireo raha vao nahatazana ny polisy nanao fisafoana. Rehefa nenjehina izy ireto, tratra ny iray ary natao famotorana. Taorian’ny fanadihadiana, fantatra fa saika hanendaka ilay rangahy lehibe ireto lehilahy ireto.

Rehefa nokarohina nandritra ny fotoana maro ny lehilahy iray, 20 taona, tra-teaky ny polisy teny Amboatavo Itaosy ny marain’ny alatsinainy teo manodidina ny tamin’ny 10 ora. Fantatra fa efa nandefasan’ny tribonaly didy fampisamborana io jiolahy io, izao tratran’ny polisy izao. Nanazava ny mpitandro filaminana fa nisy vehivavy efa nendahiny, volana vitsivitsy lasa izany, nahita azy teny amin’ny faritr’Amboatavo. Nampandre mpitandro filaminana ity farany ka nahafahana nanenjika sy nisambotra ny lehilahy .Taorian’ny famotorana, fantatra fa finday sy vola no tena alainy rehefa manao ny asa ratsiny izy ary, ary efa any am-ponja ireo namany sasany mpanendaka.

 

Henintsoa Hani

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique