Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitrandrahana tolotrasa any ivelany: ilaina ny manana mari-pahaizana iraisam-pirenena

Fitrandrahana tolotrasa any ivelany: ilaina ny manana mari-pahaizana iraisam-pirenena

Raha te hitrandraka tolotrasa any ivelany ny tanora malagasy, tsy maintsy manana mari-pahazaina eken’ny tompon’ny orinasa vahiny. Efa manomboka miakatra ny lentan’ny mpianatra eto amintsika amin’ny fizahantany sy ny fampiantranoana, araka ny fanambaran’ny mpitantana ny Havila School, Andriantsitohainamanantena Toky Ramà, teny Analakely, ny fiandohan’ny herinandro teo. Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny ivontoeram-pampianarana ambony iraisam-pirenena hanamafy ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana sy ny fandraharahana. Hanomboka ny volana novambra ho avy izao ny fandraisan’ny Business and Hotel Management BHMS any Soisa ny mpianatra nivoaka avy amin’ny Havila School. Mampiofana tanora hifehy ny fizahantany sy ny fampiantranoana ny Havila School eto Madagasikara- Antananarivo. Roa taona ny faharetan’ny fiofanana ka afaka manohy fampianarana 18 volana any Soisa indray ny mpianatra hahazoana ny mari-pahaizana licence. “Iantohan’ny BHMS ny fahazoana asa amin’ny firenena eoropeanina hahafahan’ny tanora mivelatra amin’ny lalam-piofanana nosafidiny”, hoy ny tomponandraikitry ny BHMS, i Hains Charles. 90 ankehitriny ny firenena iasan’ny BHMS ahitana mpianatra 600. Mitodika amin’ny mpianatra aty Afrika izy ireo satria efa miroborobo ny fizahantany sy ny fandraisam-bahiny amin’io kaontinanta io. Mandray tsy tapaka mpianatra asa avy ao amin’ny Havila School ny Hotel Pietra etsy Analakely ary heverin’ny mpitantana ity trano fandraisam-bahiny ity fa tombony lehibe ho an’ny mpianatra malagasy ny fisokafana amin’ny any ivelany.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.