Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana Antananarivo Renivohitra: kandidà ben’ny Tanàna tohanan’ny RMDM Ravalo

Fifidianana Antananarivo Renivohitra: kandidà ben’ny Tanàna tohanan’ny RMDM Ravalo

Tapa-kevitra hampivondrona ny heriny ary hanohana kandidà iray. Hametraka ny antontan-taratasy filatsahany hofodina eto Antananarivo Renivohitra ny filoha teo aloha, Ravalomanana. Ny an’ny IRD sisa…

Efa nanaiky ny hirotsaka izy ka hotohananay. Ilaina ny mpanohitra matanjaka ho arofanin’ny mpitondra”, hoy ny avy amin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia (RMDM), Andriamiseza Alain. Nohitsiny fa anisan’ny anton’ny fanohanana ny fahatsapana fa iharan’ny sakantsakana ny fametrahana mpanohitra eny amin’ny Antenimiera. “Antony hanoloranay azy ho ben’ny Tanàna izany satria izy no tena lehiben’ny mpanohitra… Ilaina izany satria fantatsika ny tantara niainga teto an-dRenivohitra eo amin’ny tantaram-pirenena…”, hoy ihany izy.

Tsy mbola re tsaika ny kandidàn’ny IRD 

Etsy andaniny, mbola andrasana ny kandidàn’ny IRD hifanandrina amin’ny Tim/RMDM eto an-dRenivohitra. Tombanana fa olom-baovao sady mety tsy mpanao politika izany. Efatra ireo nosafidin’ny mpitantana ny IRD ho kandidà kanefa tsy mbola nivoa-pofona izany, hatramin’izao. Tanàna stratejika amin’ny lafiny rehetra, indrindra ny lafiny politika, Antananarivo Renivohitra ka tokony hahay handanjalanja ireo mihevitra ny handrotsaka kandidà eto.

Efatra ireo kandidà eto Antananarivo

Ankoatra izany, efa kandidà sady voalohany nametraka ny antontan-taratasy filatsahany hofidina ben’ny Tanàna koa ilay mpanakanto Gangstabab na i Babà, natolotry ny Antoko politika madio (APM). Tsy fantatra na nihemotra na nanao ihany Raharinirina Clemence, avy amin’ny tsy miankina, fa nandefa fangatahana fanohanana tany amin’ny IRD, taorian’ireny fanambarana nataony ho kandidà ireny.

Raha tsy misy izany ny fiovana, efatra ireo kandidà hofidina ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra.

Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.