Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Beraketa: voakapa famaky sady lasa takalonaina ny tompon’omby

Beraketa: voakapa famaky sady lasa takalonaina ny tompon’omby

Nofirain’ny dahalo ny famaky ny olona iray tompon’omby sady lasa takalonaina nandritra ny fanafihan-dahalo tao Ifarantsa, kaominina ambanivohitr’i Beraketa, distrikan’i Bekily, faritra Androy, afakomaly hariva. 

Tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpiompy iray sady nanao takalonaina ity raim-pianakaviana ity ny andian-dahalo miisa valo nirongo basy mahery vaika sy lefona. Lasan’ireo malaso tamin’izany ny omby miisa 15 sy ny ondry miisa enina. Nahazo fanairana avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny borigady sy ireo zandarin’ny Usad ka nanara-dia ireo dahalo. Nanampy ireo zandary nanao ny fanarahan-dia koa ny fokonolona ao an-toerana. Nony tonga tao amin’ny tanàna atao hoe Analalava/Sambalahy (miakatra an’Andriry) no tratra ireo dahalo ka raikitra ny fifandonana. Resy tosika ireo malaso ka nokapain-dry zalahy ny famaky ilay tompon’omby. Navelan’izy ireo kosa ireo omby sy ny ondry halatra ka lasa nitsoaka izy ireo. Nentina haingana any amin’ny CSB2 Beraketa ireo naratra ary tsy misy ahina kosa ny ainy. Efa naverina amin’ny tompony ireo omby sy ondry. Mitohy ny fanenjehan’ny zandary ireo dahalo. Velom-pisaorana manokana ireo mponina ao an-toerana ny zandary amin’ny fiaraha-miasa satria tsy vitan’ny mpitandro filaminana irery ny fitandroana ny filaminana, araka ny nambaran’izy ireo.

Jean Claude

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique