
Miasa andro aman’alina ireo mpampianatra ao amin’ny faritra Vakinankaratra mitsara ireo taratasim-panadinana BEPC. Tsaraina avy hatrany ireo taratasim-panadinana isaky ny taranja vita.
Vinavinaina hivoaka ny asabotsy 21 septambra izao, araka izany, ny voka-panadinana ho an’ity faritra ity, raha ny fanambaran’ny tompon’andraikitra.
Mahatratra 21 467 ireo tanora miatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny faritra Vakinankaratra. Nisafidy ny « option A » ny 15 949 ary « option B » ny 5 518. Mitsinjara amin’ireo Cisco fito ao an-tanàna izy ireo.
Ho an’ny Cisco Antsirabe I, 5 706 ireo mpiadina. Tanora manana fahasembanana ny 14 amin’izy ireo ka avy amin’ny Fofaja ny valo ary avy amin’ny CRMM ny enina. Nanaovan’ny tompon’andraikitra fidinana ifotony sy fanaraha-maso ny Cisco I. Mizotra am-pilaminana, hatreto, ny fanadinana ao Vakinankaratra. Hitohy hatramin’ny rahampitso izany fanadinana izany manerana ny Nosy.
Tatiana A
Les commentaires sont fermées.