Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analanjirofo: 24 024 ireo mpanala fanadinana BEPC

Analanjirofo: 24 024 ireo mpanala fanadinana BEPC

Mahatratra 24 024 ireo mpianatra miatrika fanadinana BEPC ao amin’ny faritra Analanjirofo. 7 215 ny avy ao amin’ny Cisco Fenoarivo Atsinanana, 4 204 ny avy amin’ny Cisco Mananara Avaratra, 4 589 ny avy ao amin’ny Cisco Maroantsetra ary 2 174 ny avy ao amin’ny Cisco Soanierana Ivongo. Avy amin’ny Cisco Vavatenina kosa ny 5 252 raha avy any amin’ny Cisco Sainte Marie ny 590.

10 taona ny mpiadina zandriny indrindra:  Raveloson Niaina Angela, mpianatry ny sekoly Manasoa, Maroantsetra. Ramatoa 54 taona kosa ny zokiny indrindra, kandidà tsy miankina avy ao Mananara Avaratra.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny CEG Sahavola Fenoarivo Atsinanana ny fanadinana BEPC ho an’ny faritra Analanjirofo, ny alatsinainy teo. Efa vonona ny mpampianatra amin’ny fitsarana ny taratasim-panadinana izay vita. Efa milamina koa ny toerana hampidirana ny naoty anaty solosaina hampirindra ny fitsarana sy ny fanaraha-maso ny naoty rehetra.

Nilamina ny fanadinana tao anatin’ny roa andro voalohany. « Fanadinana lavitry ny hosoka » ny fanambin’ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena any an-toerana, i Pilaka Théogène.

Sajo

Les commentaires sont fermées.