Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Praiminisitra: “Aoka tsy ho tara ireo kandidà”

Tsy tokony handrihandry. Nitarika fivoriana niarahan’ny governemanta sy ny Ceni ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly teny Mahazoarivo. “Mizotra araka ny tetiandro napetraka ny fanomanana, ary nahafahana nifampizara vaovao ny fihaonana. Aoka ireo antoko politika sy vondron’olona tsy miankina maniry hirotsaka eo amin’ny andraikitra maha ben’ny Tanàna na mpanolotsain’ny Tanàna mba tsy hiandry ny fotoana farany amin’ny fanaterana ny antontan-taratasy eny amin’ireo “Ovec”, hoy ny eo anivon’ny Ceni. Nojerena akaiky tamin’izany ny fizotry ny fanomanana ny fifidiana, hotanterahina ny 27 novambra izao, hahafahana mahafantatra ny olana madinidinika mety hiteraka tsy fahatomombanana, ary nitondrana vahaolana mifandraika amin’izany.

Fitaovana sy tetibola…

Notsiahivin’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa hifarana ao anatin’ny telo andro ny fotoam-pametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ary mizotra ara-dalàna ny fikarakarana rehetra. “Azo lazaina fa milamina amin’ny ankapobeny, na eo amin’ny lafiny fikirakirana ny fitaovana izany, na eo amin’ny lafiny tetibola”, hoy ihany izy. Nojerena koa ny andraikitry ny tetikasa “Sacem”nanohana tamin’ny fifidianana rehetra  hatramin’izay.

Tsiahivina  fa anisan’ny nanatrika izao fivoriana izao ny minisitry ny Toekarena sy ny minisitry ny Atitany.

Synèse R. 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique