Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsidihana ny tatsy Maorisy: nahazo fanalefahan-tsazy ireo gadra noho i Papa Fransoa

Fitsidihana ny tatsy Maorisy: nahazo fanalefahan-tsazy ireo gadra noho i Papa Fransoa

Nahazo fanalefahan-tsazy avy amin’ny filoha Maorisianina, Varlen Vyapoory ireo gadra miisa 143 tamin’ny fandalovan’ny Papa Fransoa tany an-toerana, omaly. Nahazo fahafahana mialoha ny fotoana izy ireo, araka izany fanapahan-kevitry  ny mpitondra izany. Anisan’ny anton’ny nahazoan’izy  ireo  izany  koa ny fitondran-tena mendrika  nananan’ireo voafonja ireo. Naniry avy hatrany ny hanatrika  ny Sorona Masina hotarihin’ny Ray masina  izy ireo ny antoandro  haneho ny fisaorana sy fankasitrahana noho izao fanalefahan-tsazy azon’izy ireo izao.

Iray maty ary 30 ireo tsy salama tampoka… 

Ankoatra izany, nitarika lamesa ny Papa François ary nitodika manokana amin’ireo tanora Maorisianina. « Tsy mora ny miandry anareo. Na izany aza,  tokony handray  andraikitra eo anivon’ny fiangonana sy ny fiarahamonina… Ekena fa eo ny olana samihafa toy ny  tsy  fananana asa  sy ny tsy fahitana ny lalan-kombana intsony… », hoy izy. Iray maty tamin’ny fitsenana ny  Papa noho ny vokatry ny hafanana be loatra ary  maherin’ny 30 ireo tsy salama tampoka tatsy amin’ny  Nosy Maorisy.

  Synèse R. 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique