Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FAO-Afrika: fanofanana mikasika ny ala sy ny tantsaha

FAO-Afrika: fanofanana mikasika ny ala sy ny tantsaha

Mampitovy fomba fijery sy mifampizara traikefa ireo firenena dimy aty Afrika, voakasiky ny fandaharanasa momba ny ala sy ny tantsaha, tohanan’ny FAO. Tanjona ny hampipaka ny asa atao any ifotony hahazoana vokatra azo tsapain-tanana.

Atao eto Antananarivo, omaly 8 hatramin’ny 13 septambra ho avy izao, ny atrikasa, karakarain’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny sakafo sy ny fambolena (FAO). Atrikasa ho an’Afrika ity atao ity, fiofanana ho an’ny mpanofana momba ny dingana samihafa mikasika ny ala sy ny tantsaha na Forest and farm facility (FFF). Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Vondron’ny tantsaha sy ny misehatra ary ny mpandraharaha hanatsarana sy hiarovana ny ala (FFPO), afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro sady hampaharitra ny ala. Vokatra andrasana ny fametrahana lalàna sy ny paikady hanatrarana ny tanjona, ny fanamafisana ny fahaiza-manao ka hizara ny traikefa any amin’ny fikambanana na orinasa na ny vondrona tantsaha any ifotony.

Tsy mahomby afaka roa hatramin’ny dimy taona

Araka ny tatitry ny FAO, tsikaritra fa tsy nahomby ireo mpisehatra voalaza ireo, roa hatramin’ny dimy taona nanombohan’izy ireo ny fihariany. Olana mateti-pitranga ny tsy fahaiza-mitantana na tsy fahampian’ny vola enti-miasa.

Anisan’ny ifantohana manokana ny hanomezan-danja ny vehivavy sy ny tanora. Ilaina , noho izany, ny fijerena amin’ny antsipiriany ny olana isan-tsokajiny avy, diavin’ny mpisehatra (FFPO), ahafahana mitantana ny olana sy hanoro hevitra azy ireny hahitany fahombiazana.

Nilaza ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Tontolo ianana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD), Rakotovololonalimanana Herizo, anisan’ny antony nanaovana ity atrikasa ity ny fampitoviana ny fijery sy ny fizarana traikefa eo amin’ireo firenena dimy aty Afrika, voakasiky ny tetikasa.

Ho an’i Madagasikara, anisan’ny tanjona ny hambolen-kazo mirefy 4 tapitrisa ha hatramin’ny taona 2030. Ho an’i Togo, tanjony ny hambolen-kazo 1,3 tapitriasa ha hatramin’ny taona 2030.

Njaka Andriantefiarinesy

Andiany faharoa ity fandaharanasa ity, ary voakasik’izany aty Afrika, i Madagasikara, Ghana, Kenya, Togo ary Zambia. Nanomboka ny taona 2018 ary hifarana amin’ny taona 2022.

Miara-miombon’antoka aminy ny FAO, ny IIED, ny UICN, ny AgriCord. Mpamatsy vola ny firenena Soisa, alemaina, Etazonia, ny IKEA, ny Vondrona eoropeanina (UE)-FLEGE.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique