Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Arovy ny ala honkontsika ! » 

« Arovy ny ala honkontsika ! » 

« Arovy ny ala honkontsika ! ».  Niara-nisalahy tamin’izany ny WWF (Fonds mondial pour la nature), ny minisiteran’ny Fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana any Alemaina ary ny UICN (Union internationale pour la conservation de la nature). Niainga avy amin’ny fanadihadiana ny sarintany azo tamin’ny zanabolana, teo anelanelan’ny 1995 sy 2018, ny tetikasa.

Sarin-tany mampiseho ny toerana misy azy sy ny zava-misy ankehitriny manerana ny Nosy.  Hita fa  nihena io karazan-kazo io, 236 400 ha tamin’ny taona 2018, raha nisy 294 387 ha, ny taona 2000.  Fantatra fa tsara kokoa izay ala tantanin’ny fokonolona amin’ny ankapobeny. Hitan’ny WWF izany, hatramin’ny taona 2007 niarahany niasa tamin’ny fokonolona ho fiarovana sy famerenana ny ala honko any amin’ny faritra Menabe, Melaky, ary Diana. Fitambarany, 50 000 ha ny ala voaaro tantanin’ny fokonolona ; roa tapitrisa ny hazo voavoly, ny taona 2007 hatramin’ny 2017.

16 ny fikambanana mandray andraikitra, any amin’ireo faritra ireo, amin’ny fiarovana, mahazo fanohanana avy amin’ny WWF sy  ny fikambanana miaro ny tontolo iainana. « Tsy mahazo fankatoavana ny fiarovana ny ala honko raha tsy voaporofo ara-tsiantifika sy ara-potoana ,  sy ny fampiharana ny lalàna mifandraika amin’ny fiarovana azy », hoy ny talen’ny WWF, Ratsifandrihamanana Nanie. Manantana ny WWF, sy ireo vahiny nanao ny fikarohana fa hanome lanja io zavaboahary io ny rehetra ka handray andraikitra ho fiarovana azy.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique