Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

An-kitsim-po

Laharam-pahamehana amin’ny rehetra

Zava-doza iainan’ny zanak’olombelona, ankehitriny, ny fiovan’ny toetr’andro. Tsy misy afa-bela amin’izany na any avaratra, atsimo, atsinanana, andrefana.  Samy mahita ny fiakaran’ny hafanana tamin’ity taona ity, ry zareo Eoropeanina, takafatra hatrany amin’ny 40 °C ny maripana ; mitsonika ny ranomandry any an-tendron’ny avaratry ny tany ; maina ny tany aty Afrika ; tondran-drano sy rivodoza matetika, mamely any Azia na Amerika. Potika tanteraka izao any Bahamas, ankoatra ny aina nafoy, vokatry ny rivodoza Dorian.

Eto Madagasikara manokana, iaraha-mahita ny fahapotehan’ny ala, ny doro tanety  fanaovana saribao, satria io aloha no mbola takatry ny be sy ny maro fa aoriana kely ao ho sarotra amin’ny maro ny hividy saribao. Mila fandraisana andraikitra maika, tsy tokony hangatahana andro, laharam-pahamehana amin’ny rehetra.

Efa mitondra ny anjara birikiny ny fikambanana iraisam-pirenena maro eto an-toerana, toy ny WWF, GIZ, CI, FAO, sy ireo ONG hafa. Manome lesona tokony harahina ireny fa tena tokony ho lohany ny fanjakana. Tsy anjaran’ny minisiteran’ny Tontolo iainana irery izany, fa mifampiankina amin’ny asan’ny minisitera hafa, toy ny Angovo sy rano, ny Fambolena, ny   Fanabeazana.

 

M.C

Les commentaires sont fermées.