Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Songadina an-tsary

Songadina an-tsary

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny Papa Fransoa, ny asabotsy maraina.

Nanotrona ny lanonana ireo Eveka manerana an’i Madagasikara.

Tonga teny an-toerana ihany koa ny filoha teo aloha, Ratsiraka Didier sy ny vadin’ny filoha teo aloha, Thérese Zafy.

Tazana koa ireo praiministra nifanesy teo aloha sy ireo vahiny manan-kaja maro.

Anisan’ny nanafana ny fotoana ny “chorale la Providence”, nanao hira tamin’ny fiteny samy hafa.

Niarahaba sy nanome ny lakilen’Antananarivo ny Papa Fransoa ny ben’ny Tanàna Ravalomanana Lalao.

I Papa Fransoa nanokatra ny alim-bavaky ny tanora teny amin’ny Soamandrakizay, ny alina ny asabotsy.

I Papa Fransoa naira-dia tamin’ny kardinaly Tsarahana Désiré.

Ireo filohana andrim-panjakana sy mpikambana an’ny governemanta teny amin’ny Soamandrakizay.

Nisaron-doha sy nitampim-bava ny ankamaroan’ny mpino vokatry ny vovoka.

Maro ireo izay mbola nikaonfesy teny an-toerana.

Ireo ambasadaoro monina eto Madagasikara tonga nanatrika ny lamesa.

Nandalo fisavana avokoa izay olona niditra teny an-toerana.

Toerana fiasan’ireo mpanao gazety.

Nanampy teo amin’ny fitsaboana ny “croix rouge”.

Hafalian’ireo vahoakan’ny Akamasoa sy mompera Pédro ny fandalovan’ny Papa Fransoa teny amin’ny Akamasoa.

Tonga nampahery teny amin’ny sekoly masindahy Misely an’ireo reliziosy ihany koa i Papa Fransoa

Sary: Fanou, Tiana R sy Mamiherison

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique