Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hentitra ny hafatry ny Papa Fransoa: « Ny kolikoly, ny harem-pirenena,  fihavanana sy fifampiresahana… »

Hentitra ny hafatry ny Papa Fransoa: « Ny kolikoly, ny harem-pirenena,  fihavanana sy fifampiresahana… »

Nahazo ny anjarany  avokoa ny  rehetra.  Mafonja ny hafatry ny  Papa Fransoa , tamin’ny lahateny nataony teny Iavoloha. Teo ny lafiny politika sy ny fitantanana.  Manampy  izany ny harena voajanahary hatrany amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Nitodika tamin’ireo mpino sy ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka ihany koa izy teny Soamandrakizay.

Indroa namerina ny teny malagasy « Fihavanana” ny Ray masina  raha tamin’ny teny Italianina kosa ny lahateniny manontolo. Nafonja sy hentitra ny hafatry ny Papa Fransoa nanoloana ny mpitondra fanjakana, mpanao politika, fiarahamonim-pirenena ary ireo masoivoho vahiny. « Miteraka fanamby  ho an’ireo nomena iraka mba hanompo sy hiaro  ireo mpiray tanindrazana aminy ny andraikitra politika. Indrindra ireo tena marefo ka hanamora ny fepetra  ho amin’ny fivoarana mendrika sy marina…  Tsy azo boriboriana fotsiny amin’ny fomba filaza tsotra amin’ny fitombon’ny  harin-karena ny fivoaran’ny firenena iray”, hoy izy.

Fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena

Nampirisika ny mpitondra ny tenany  amin’ny finiavana hanohitra ny kolikoly sy ny fitadiavana tombontsoa manokana, mampitombo ny fahasamihafana sosialy. “Mankahery anareo hiatrika ny trangam-piainan’ny fanilihana, miteraka ireo fahantrana tsy zakan’ny olombelona… Tsy mihanona amin’ny fanomezana fanampiana fotsiny ny fampivoarana  fa mitaky ny fankatoavana ireo manan-jo ka voaantso handray anjara amin’ny fanorenana ny hoaviny”, hoy ihany ny Papa Fransoa.

Ankoatra izany, nohitsiny  fa tsy mandeha irery ny fiarovana ny zavaboahary. Tokony hitady vahaolana feno manome lanja ireo lamina voajanahary miaraka amin’ny lamina sosialy, araka ny nambarany.

Tsy fiankinan-doha amin’ny sehatra iraisam-pirenena 

Nanolo-kevitra anefa ny tenany ny amin’ny tokony hamoronana asa sy fihariana  ahazoam-bola, manaja ny tontolo iainana ary ny fanampiana ny olona hiala amin’ny fahantrana. Nitodika amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tenany,  avy eo, nametraka ahiahy amin’ny fiaraha-miasa amin’izy ireo sy i Madagasikara. “Atahorana hivadika kolontsaina  iombonana tokana mahenika izao tontolo izao  ny fivelarana, manoloana ny fanampiana omen’ny iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny firenena… Tsy tokony hiteraka fampitoviana ho lasitra iray ny kolontsaina  ny fanatontoloana ara-toekarena… Tsy maintsy miezaka isika  tsy ho lasa antoka tokana hampandrosoana ny firenena ny fanampian’ny iraisam-pirenena… Ny vahoaka ao amin’ny fireneny ihany  no mandray an-tanana tsikelikely ny  fampandrosoana mba ho tompon’antoka amin’ny hoaviny”, hoy ny Papa Fransoa.

Tsy misy olona iray azo ailika…  Fihavanana

Etsy an-daniny, mazava ny toromarika nomen’ny Ray masina ny amin’ny tokony hihainoana  ny fiarahamonim-pirenena. Ho heno kokoa ny feon’ireo tsy manam-peo, araka ny nambarany.  “Manainga anareo aho hihevitra ny lalan-kizorana ahitana fa tsy misy olona iray aza azo ailika na mandeha irery na very”, hoy izy. Nanteriny fa manana finiavana ny fiangonana amin’ny fanorenana firahalahiana  manome lanja ny fihavanana manome sehatra ny fivoaran’ny olona manontolo ka tsy hisy na iray aza ho voailika. “Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra maharitra amin’ireo kristianina hafa finoana ary amin’ireo  mpisehatra eo amin’ny fiarahamonim-pirenena izany”, hoy ihany izy. Nialohavan’ny fampatsiahivany ny savaranonandon’ny lalàmpanorenana  ireo rehetra ireo ka nanamarihany ny soatoavin’ny kolontsaina malagasy : Fihavanana.  “Mampahatsiaro ny toetsain’ny fifampizarana, ny fifanampiana ary ny firaisankina  izany… Isehoan’ilay Fanahy malagasy sy ireo toetra mampiavaka azy, hanohitra ankasahiana  sy ampahafoizan-tena ireo hakiviana sy ny olana atrehiny  isanandro…”, hoy izy.

Synèse R.    

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique