Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CNaps: mitohy ny Tagnamaro

CNaps: mitohy ny Tagnamaro

Manaraka ny politikam-panjakana hanehoana ny maha olom-pirenena ny tagnamaro, atao isam-bolana, ny CNaPS. Fomba fanao hitondra fiovana eny amin’ny toeram-piasana sady manome ohatra ny manodidina.

Natao ny sabotsy lasa teo ny anjara tagnamaro eny anivon’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), andiany fahatelo. Hetsika fanatanterahana ny politikam-panjakana sady hanamafisana ny firaisankinan’ny mpiasa. Nifanandrify tamin’ny andron’ny olom-pirenena rahateo io fotoana io. Nodiovina ny toerana sy ny birao fiasana, notarihin’ny mpikambana isaky ny toniam -pitantanana rehetra. Nanatanteraka izany avokoa ny birao sy ny masoivohon’ny CNaPS rehetra teto Antananarivo, toy ny eny Ampefiloha, Anosizato, Tanjombato, Sabotsy Namehana, Talatamaty ary Ambohimiandra.

Navitrika avokoa ny mpiasa nanatontosa ny adidiny, nanehoana ny maha olom-pirenena sy ny herimpony. Ohatra ho an’ny hafa, hitondra fiovana tsara ho an’ny tsirairay, indrindra ho an’ny toerana hiasana koa. Nanomboka ny volana jona ny tagnamaro nataon’ny CNaPS, ary amin’ny volana oktobra indray ny hetsika manaraka.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique