Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Songadiana an-tsary

Songadiana an-tsary

Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato, omaly tamin’ny 3 ora sy 45 minitra tolakandro ny papa Fransoa, niaraka amin’ny ireo mpiara-dia aminy sy ny mpanao gazety vahiny.

Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry mivady, tamin’ny fomba ofisialy amin’ny maha filoham-panjakana azy, ny papa Fransoa.

Niarahaba ny kardinaly Tsarahazana Desiré ireo mpiara-dia amin’ny papa Fransoa.

Ireo delegasion malagasy nitsena, notarihiny praiministra lehiben’ny governemanta niaraka tamin’ireo lehiben’andrimpanjaka, ankoatra ny filohan’ny Antenimierandoholona, tsy teny an-toerana.

Ny papa Fransoa niarahaba ny kardinaly Tsarahazana Desiré.

Niakatra teo amin’ny fiara Karenjy mazana, Pape Mobile, ary hihazo ny eny Ivandry.

 

Maro ireo mpino nitsena azy teny amin’ny lalana nolalovana: Ivato, i Tsaramasay, Ankorondrano, Alarobia…

Sary: Fanou, Tiana R ary Mamiherison

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique