Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nanomboka teny Ivato hatreny Ivandry: nakotroka ny fitsenana ny Papa Fransoa

Nanomboka teny Ivato hatreny Ivandry: nakotroka ny fitsenana ny Papa Fransoa

30 taona taorian’ny fivahinianan’ny papa Joany Paoly II, nigadona teny Ivato ary notsenaina tamin’ny fomba makotroka, ny Papa Fransoa. Toa ny tatsy Mozambika, miandrandra hafatra mafonja avy amin’ity voalaza fa ”mpamafy fiadanana sy fanantenana”  ity amin’izao fivahinianany eto amintsika izao ny Malagasy.

Nakotroka ny fandraisana ny Papa Fransoa tonga eto amintsika, nanomboka omaly. Vory lanona ny vahoaka sy ny kristianina, nanomboka  teny Ivato sy tamin’ireo lalana nizorany. Mendrika ny fandaminana.  Nilamina ny olona ary afaka naneho ny  hafaliany tamin’ny fihetsika samihafa: fanofahofana sain’i Vatikana, antsoantso, fakana sary… tamin’ny fotoana nandalovan’ny  Papa Fransoa. Nitsodrano azy ireny hatrany ny Ray Masina teny an-dalana, tahaka ny efa fanaony… Nahitana mpitandro filaminana nifanakaiky hatrany rahateo teny an-dalana ka nilamina tanteraka… Ankizy, tanora, olon-dehibe, laika sy relijiozy avy amina fikambanana isan-karazany, nanana ny anjara ny toerany avokoa tamin’ny fandraisana teny Ivato. Ny antily sy ny fanilo, ohatra, niaraka tamin’ny mpitandro filaminana niantoka ny fandaminana sy ny fifamoivoizana. Nihira sy nandihy ireo ankizy avy ao amin’ny paroasy Mb Thérèse Ivato, Chapelle Ivato sy Ibalita avy any Faravohitra. “Faly izahay satria nosafidina hanotrona ny papa eto. Faly izahay nefa marobe ny ankizy toa anay te hanao toy izao koa. Tsy nampoizinay izao safidy aminay izao”, hoy izy ireo.

Tafapetraka ny lamina nataon’ny fiangonana katolika sy ny fiadidiana ny Repoblika amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana. Ireo tsy afaka nitsena kosa, nanaraka  izany amin’ny haino aman-jery, anisan’izany ny TVM nitantara izany mivantana ary  nankasitrahan’ny rehetra.

Tsy hitsitsy fitenenana

Hitohy anio ny fandaharam-potoana ka anisan’izany ny fihaonany amin’ny filoha Rajoelina mivady eny Iavoloha. Hitohy amin’ny fandraisany ireo diplaomaty sy ny fiarahamonim-pirenena ary ireo eo anivon’ny Andriampanjakana izany. Hihaona amin’ny tanora eny Soamandrakizay ny hariva. Hanana ny hambarany ny Papa Fransoa amin’izany, tahaka ny nataony tatsy Mozambika. Mazava ny lohahevitra «Hamafy fiadanana sy fanantenana». Tsy azo ihodivirana ny hanitrikitrihiny ny fahantrana lalina iainan’ny vahoaka. Ny olana sosialy sy ny faharavan’ny tontolo iainana eto amintsika. Eo koa ny resaka koikoly… Tsy hitsitsy fitenena izy tahaka ny efa fanaony rehefa misy ny tsy  mety  amin’ny firenena  tsidihiny… Na izany aza, hankahery ny Malagasy ny Papa Fransoa. Tsy tongatonga ho azy rahateo ny safidy ho aty Madagasikara fa misy antony lehibe.

R.Mathieu

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique