Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitra afrikanina – Drafitrasa “Kazan”: handray ny vela-kevitra voalohany i Madagasikara

Minisitra afrikanina – Drafitrasa “Kazan”: handray ny vela-kevitra voalohany i Madagasikara

Efa vonona amin’ny fandraisana ilay vela-kevitra rezionaly ny minisitra afrikanina, ho an’ny fanatanterahana ny drafitrasa “Kazan” (PAK) i Madagasikara. Vela-kevitra karakarain’ny governemanta malagasy, amin’ny alalan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, hotanterahina ny 10 hatramin’ny 13 septambra ho avy izao. Araka ny fandaharam-potoana, hozaraina roa mazava tsara ity fihaonambe ity. Ny tapany voalohany, hanatanterahana ny fampiofanana omen’ny manampahaizana vahiny, ny 10 sy 11 septambra, hatao ao amin’ny Asia & Africa eny Ivato. Ny fihaonan’ireo minisitra afrikanina kosa ny ivon’ny fihaonambe, hatao amin’ny tapany faharoa, ny 12 sy 13 septambra, ao amin’ny CCI Ivato. Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny minisitera, 150 eo ho eo ny mpandray anjara andrasana, avy amin’ny firenena afrikanina 37. Ankoatra ny firenena afrikanina, misy amin’ireo firenena ireo no avy amin’ny kontinanta hafa, misahana ny fampianarana fatanjahantena (EPS). Eo ihany koa ny manampahaizana avy amin’ny Firaisambe afrikanina (Union africaine), ny Unesco, ny Confejes, ny Ciepss, ny Confemen ary ny Fiep. Tanjona amin’izao vela-kevitra izao ny fanentanana sy ny fanetsehana ireo minisitra sy tomponandraikitra ambony eto Afrika sy manerana izao tontolo izao, misehatra eo amin’ny tontolon’ny EPS (Education physique et sportive), indrindra ho fanatanterahana ny drafitrasa “Kazan”. Tanjona amin’ity fihaonana ity izany, raha ny fanazavana hatrany. Tsy diso anjara amin’izany ihany koa ireo mpanohana teknika sy vola, handray anjara mavitrika. Ezaka lehibe hanavaozana ny politikam-panjakana amin’ny fampandrosoana maharitra, ny tontolon’ny fanatanjahantena eto Afrika, ity hetsika hatao manomboka ny 10 septambra ity ka zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisana izany.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.