Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mifankahery izay mahazo hery…

Mifankahery izay mahazo hery…

“Fampirisihana ny azy fa isika no manao ny asa. Aza izy no omen-tsiny, rehefa tsy mahay miasa sy tsy mamokatra isika. Fankaherezana ny azy fa isika no mitady ny alaolana amin’ny manjo antsika eto.”

Anisan’ny tenin’ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Razakonolona Odon, teny Andohalo, afakomaly, momba ny fitsidihana apostolika ataon’ny papa François eto Madagasikara, nanomboka omaly, io.

Hanao ahoana tokoa ny ho ako sy ny ho vokatr’izao fitsidihana apostolika ataon’ny papa François izao? Miara-dalana amin’izany ny maha filoham-panjakana azy, mifandraika ho azy amin’ny lafiny diplaomasia.

Hisy fiovana manao ahoana aorian’ny fitsidihany? Ao anatiny tanteraka izao… Anjaran’ny tsirairay ny manararaotra mandray izay azo raisina, manakatra izay azo takarina, miaina izay azo iainana…

Tsy impiry ny toy izao? Lehibe, manan-tantara… Izy, mandalo fa isika, mitoetra. Isika ihany, araka ny toerana misy ny tsirairay, no mifampitana isan’andro mandavantaona amin’izay olana misy sy mahazo…

Tsy fandriampahalemana, tsy fisiana asa… Tsy inona fa fahantrana lalina sy maharitra. Ho afaka amin’izao? Mila fijoroana, mila fahatapahan-kevitra, mila fahavononana, mila fiatrehana ady, mila faharetana, mila firosoana…

Miara-dalana amin’izany ny fifanomezan-tanana, ny fifampitokisana… Tsy avela handalo fotsiny ny hoe fiadanana sy fanantenana. Tsy misy mankahery aza mila mahery, vao mainka fa misy mpankahery?

Finoana ny antony fa azo resena ary ho resy resena, ohatra, ny fahantrana. Mila mifankahery izay mahazo hery. “Tsy maniry fiadanana isika fa manao izany ary mizara izany ho an’ny hafa”, hoy i Mère Teresa izay.

Mba ho foana na hihena ahay ny fanodinkodinana volam-bahoaka sy ny harem-pirenena, ohatra, ny fanaovana kolikoky, ny tsy fanarahan-dalàna… ? Tena hisy hasiny sy dikany ny fitsidihan’ny papa.

Mbola lalina sy hafa no ho izany ny fiainam-panahy rehefa tena isiana sy iainana. Alao hery àry! Fotoana izao, fanararaotana… Isika ihany tokoa no mitady izay vahaolana amin’izay manjo antsika eto.

Rafaly Nd.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique