Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Natolotry ny Bianco ny Pac ny raharaha: naiditra am-ponja ny dimy tamin’ireo nivarotra ny tanin’ny CUA

Natolotry ny Bianco  ny Pac ny raharaha: naiditra am-ponja ny dimy tamin’ireo nivarotra ny tanin’ny CUA

 

Resaka tanin’ny Kaominina  Antananarivo Renivohitra (CUA) indray ny manaraka. Niakatra tetsy amin’ny  fampanoavana eo anivon’ny Tendrom-pitsarana  (Pac) 67 ha, omaly ny fivarotana tany tsy  ara-dalàna. Dimy ireo naiditra am-ponja vonjimaika ka anisan’izany ireo mpitantana teo aloha sy ny avy amin’ny minisiteran’ny Serasera amin’izao fotoana izao…

Fito ireo niakatra fampanoavana ahina  ho voarohirohy sy tafiditra amin’izao raharaha izao. Dimy kosa ireo nalefa eny Antanimora  avy hatrany,  taorian’ny famotorana. Anisan’ireo naiditra am-ponja vonjimaika tamin’izany ny mpiasan’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany iray “conservateur” teo aloha, anisan’ny ahiahina ho nanao ny famindrana ny tany. Ny mpampaka-teny teo aloha eo anivon’ny CUA  sy ny tale misahana  ny raharaham-pitsarana ao amin’ny kaominina koa ary ny filohan’ny mpanolotsain’ny Tanàna, efa lasa talen’ny fitantanam-bola eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny fifandraisana, amin’izao fotoana  izao. Manampy azy  ireo  ny sekretera mpanatanteraky ny filankevitry ny Tanàna.

Tafaporitsaka any ivelany ny  mpandraharaha iray

Tafaporitsaka ary efa any ivelany kosa ny  mpandraharaha, teratany karana iray ahina  ho voarohirohy amin’izao raharaha izao  koa.

Efa nidoboka am-ponja vonjimaika ihany koa anefa ny sasany amin’izy ireo amin’ny andraikitra nosahaniny teo anivon’ny CUA noho  ny resaka fivarotana ny zaridaina Antaninarenina ary izao  mbola tafiditra amin’ity raharaha ity izao  indray koa.

Niditra an-tsehatra ny Bianco 

Tonga teny amin’ny Bianco, ny volana avrily teo ny fitoriana momba ny  resaka fivarotana tsy ara-dalàna ny tanin’ny kaominina eny Antsonjombe, mirefy 9 ha mahery. Efa niteraka resabe hatramin’ny ela rahateo izany. Niditra an-tsehatra amin’ny  fanadihadiana rehetra ny sampana Bianco eto

Antananarivo. Taorian’izany, niroso amin’ny fampiakarana  ny  raharaha tetsy amin’ny Pac 67 ha ny eo anivon’ity  rafitra miady amin’ny kolikoly ity ary izao nampidirana am-ponja tompon’andraikitra ambony maromaro izao.

 Nanao ny fanadihadiana koa  ny MAHTP

Tsiahivina fa nanomboka niseho masoandro, ny volana marsa teo ary niakatra fitsarana ny raharaha momba ireo tanim-panjakana  na  tanin’ny CUA. Anisan’ny  nitady ny marina  sy nanao ny fanadihadiana rehetra rahateo ny  teo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany  (MAHTP). Tsy ny eto an-dRenivohitra ihany fa ny  tanim-panjakana  sy an’ny  kaominina manerana Nosy, tafiditra ao anatin’ny fanadihadiana ataon’ny minisitra avokoa.

Manafaingana ny  raharaha  ny Pac…

Tafiditra  ao anatin’izany ny “Zaridaina  Antaninarenina” sy ny “CEG Analamahitsy”. Misy tafiditra amin’ireo raharaha roa ireo ny sasany amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny CUA tamin’ny fotoan’androny. Araka izany, andrasana ny tohin’itony raharaha itony. Nampanantena rahateo ny Pac fa hiezaka ny hampiakatra sy hanafaingana ny antontan-taratasy eo aminy.

Synèse R.  

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique