Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanodinkodinam-bola 125 miliara ariary tao amin’ny ladoany : tompon’andraikitra ambony efatra naiditra am-ponja

Fanodinkodinam-bola 125 miliara ariary tao amin’ny ladoany : tompon’andraikitra ambony efatra naiditra am-ponja

Nohazonina vonjimaika am-ponja ireo tompon’andraikitra ambony miisa efatra eo anivon’ny ladoany. Niakatra fampanoavana etsy amin’ny Tendrom-pitsarana (Pac) 67 ha  izy ireo, ny asabotsy teo, ary izao miandry didim-pitsarana eny Antanimora izao.

Anisan’ny voarohirohy amin’izany ny tale jeneraly teo aloha an’ny ladoany, Rabenja Eric Narivony. Eo koa ny “receveur  general de douane” teo aloha, tao Toamasina, Ramahefarison Tolojanahary, sy ny lehibe teo aloha an’ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny hosoka, Rasoamananjara Henintsoa Lovatiana, ary ny “inspecteur au service de renseingement et de l’analyse des risqué”, Razafindrakoto Lalatiana. Anisan’ny vesatra iampangana azy ireo ny fanaovana hosoka sy ny kolikoly ary koa ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, maherin’ny 125 miliara ariary. Anisan’izany ny fanaovana fanambarana hosoka amin’ny entana nohafarana sy ny tsy fandoavam-bola amin’ny fadintseranana. Na mandoa ihany, saingy ambany ny hetra sy ny haban-tseranana aloa. Ny filazana anarana orinasa maromaro nefa tsy misy akory na entana hafa ny vokarin’izany orinasa any ivelany izany…  Ohatra amin’izan  ny fisian’ny menaka, ny labozia (PPN) na ny kojakojan-tokantrano  “électroménagers…” ao anaty kaontenera nefa anaovana fanambarana fa “papier journal”  izany ka ambany ny hetra sy ny haban-tseranana aloa.

Ahina ho voarohirohy koa Rajaonah Mbola

Tsy mitovy ny taratasy “bon de livraison” any am-piaingan’ny entana sy ny taratasy “bon de livraison” handrafetana ny fanambarana atao rehefa tonga eto Madagasikara izany ka avoaka avy any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo entana ireo. Misy ny firaisan-tendro ao anatin’izany mba tsy ho hitan’ny mpanara-maso koa ny lalan’ny entana amin’ny kaontenera. Eo koa ny filazana fa nifampiraharaha amin’ny orinasa mpamatsy simenitra izy ireo. Mpanamboatra menaka anefa izany orinasa izany. Eo koa ny orinasa mpamokatra ronono nefa anaovana fanambarana hosoka fa mpamatsy simenitra… Anisan’ny ahiahina ho tafiditra ao  anatin’izany koa anefa ilay mpandrahara sady mpanolotsain’ny filoha teo aloha, Rajaonah Mbola.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique