Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Halatra narahina vonoan’olona: teratany frantsay maty voatsatoka antsy tao an-tranony

Halatra narahina vonoan’olona: teratany frantsay maty voatsatoka antsy tao an-tranony

Mpandraharaha, tompona trano fisakafoana lehibe iray ao Toamasina, ity teratany frantsay, maty nisy namono tamin’ny alalan’ny tsatoka antsy tao an-tranony, tao Tanamakoa, ny alin’ny alarobia teo ity.

Maty nisy namono tao an-tokantranony eny Tanamakoa, akaikin’ny “rond point” Vodimanga, ny alin’ny alarobia tokony ho tamin’ny 11 ora ny teratany frantsay, mpandraharaha tompona trano fisakafoana lehibe iray ao Toamasina.  Raha ny angom-baovao voaray avy any an-toerana, efa niandry ity teratany frantsay ity teo am-bavahadiny ireo jiolahy efatra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Niditra an-keriny tao an-tokantrano avy hatrany ry zalahy ka niakatra teny ambony rihana satria voalaza fa efa nisy ny fifampiresahana teo amin’izy ireo. Niangavy ireo jiolahy mba tsy hiakatra any ambony rihana kosa ny vadin’ilay niharam-boina, saingy tsy nanaiky izany ireo olon-dratsy. Naharitra teo amin’ny 30 mn teo ho eo ry zalahy tao ambony rihana. Taorian’izay, nidina nitondra ordinatera entin-tanana miisa telo sy sakaosy kely ka rehefa tonga tao ambany rihana dia niteny tamin-dramatoa vadin’ilay frantsay izy ireo hoe miakara amin’izay ianao any ambony haingana fa ilain’ny vadinao, araka ny fanazavan’ny loharam-baovao hatrany.

Faty nihosin-dra no hitam-badiny…

Akory anefa ny hatairam-badiny raha tonga tao ambony rihana raha nahita ilay frantsay nihosin-dra voatsatotsatoka antsy sady efa tsy misy aina intsony. Feno dian’antsy ny vatany iray manontolo, raha ny filazany. Nisy ny vola voaroba, saingy tsy mbola fantatra kosa izay mety ho totaliny niaraka tamin’ireo entana sarobidy rehetra tao an-trano. Tsikaritra fa miverina indray ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina ary mampiteny ny moana ara-bakiteny mihitsy raha ny zava-mitranga ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Tsy voaaro ireo mpandraharaha miasa eto amintsika, manginy fotsiny ny horohoron’ny mponina isan’andro satria lasa ny jiolahy indray no mifehy ny tanàna?Aiza ny fiarovana ny zon’olombelona manoloana ny vonoan’olona feno habibiana ataon’ny jiolahy toy izao? Tsy mitsitsy ry zalahy fa ny kely eo am-pelatananao indray ary no lasa miaraka amin’ny aina.

Sajo sy J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique