Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby: nankasitrahan’ny federasiona ny Jica

Rugby: nankasitrahan’ny federasiona ny Jica

Handao an’i Madagasikara ary hiverina hody any Japon, ireo japone telo mianadahy, ao anatin’ny Jica, niasa maimaim-poana, ho an’ny rugby Malagasy, nandritra ny iray volana. Tonga nanao veloma ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, tetsy Ankorondrano izy ireo, omaly. Tamin’izany, no nampahatsiahivan’izy ireo fa nitondra ny fahaiza-manaony, tany amin’ny ligin’i Boeny sy Antsinanana, ry zareo, nandritra ny fivahiniany, teto. Nisy koa ny fiofanana sy fanomezana fanazarantena ho an’ny Makis vehivavy.

Nohamafisina, fa mbola hitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, satria nahafinaritra ny fiarahana. Tsiahivina, fa mpanazatra, ny ekipan’ny Yamaha Motors Rugby, any Japon, ny iray tamin’ireo. Mpianatra kosa ny iray ary mpilatsaka an-tsitrapo, ny fahatelo. Ankoatra izay, mbola hijanona aman-bolana eto i Yuki, izay efa nahavita 2 taona, niaraka tamin’ny Makis de Madagascar, vehivavy. Nisaotra, tamin’ny zava-bitan’izy ireo ny filohan’ny Malagasy Rugby,  ary nitso-drano azy ireo, ho tonga soa any aminy. Nomena ny “survêtement”-n’ny Makis, izy telo ireo, ho fahatsiarovana.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.