Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolikoly, fanodinkodinam-bolam-panjakana: hiverina hotsaraina ry Mbola Rajaonah sy Claudine…

Kolikoly, fanodinkodinam-bolam-panjakana: hiverina hotsaraina ry Mbola Rajaonah sy Claudine…

Tsy mbola mifarana eo. Hiditra amin’ny  andiany faharoa ny fitsarana ireo raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana sy kolikoly. Hanomboka ny volana septambra izao izany ka anisan’ny hiverina hotsaraina eny amin’ny Tendrom-pitsarana  misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) ireo mpandraharaha maromaro…

Anisan’ny hotsaraina amin’izany amin’ny raharaha roa hafa, ny mpandraharaha Razaimamonjy Claudine. Efa nahazo sazy figadrana asa an-terivozona,  mandritra ny 7 taona sy fandoavana lamandy mitentina 100 tapitisa ar ny tenany. Didim-pitsarana nivoaka ny 20 aogositra teo izany ary anisan’ny niampangana azy ny fanodinkodinam-bola-panjakana sy fanaovana kolikoly amin’ny tsenam-baro-panjakana. Hiverina hotsaraina koa ilay mpandraharaha sady mpanolotsain’ny filoha teo aloha, Rajaonah Mbola. Nafahana madiodio amin’ny raharaha iray, taratasim-bola tsy misy antoka ny tenany satria nambaran’ny mpitsara eo anivon’ny Pac fa tsy mitombina ny vesatra niampangana azy, tamin’ny raharaham-pitsarana natao ny faran’ny volana jolay teo. Enim-bolana izy izao no  eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy  ary vesatra hafa hanenjehana azy ny  hiakarany Fitsarana, amin’ny septambra ho avy  io. Anisan’izany ny fanaovana  hosoka amin’ny  fadin-tseranana  sy  ny famotsiam-bola.

Ny depiote Hasimpirenena

Sambany hiakatra eny amin’ny Pac kosa ny depiote voafidy any Fandriana, Rasolomampionona Hasimpirenena, mbola voatazona any am-ponja amin’izao fotoana izao.  Anisan’ny vesatra iampangana azy ny  fivarotana tany amin’ilay raharaha “Villa Elisabeth”. Miankina amin’izany ny ho avy politikany satria vita hatreo ny aminy raha tsy mbola voatsara mialoha ny faran’ny taona na mialoha ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimierampirenena  ity olom-boafidy ity. Hanambara ny fahabangan-toerana ny HCC ary hiakatra avy hatrany ny mpisolo toerana azy eny amin’ny seza eny Tsimbazaza.

Ahitana mpitondra teo aloha sy mpandraharaha

Manampy ireo hiakatra eny amin’ny Pac, ny loholona Andriamihaingo Berthin.  Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny sabotsy 4 mey lasa teo. Voasaringotra amina raharaha fanodinkodinana volabe manodidina ny 618 137 053,72 Ar niaraka tamina olona maromaro ity olon’ny HVM teo aloha ity.  Tsenam-baro-panjakana tsy mazava mifandraika tamin’ny fividianana fitaovana fampangatsiahana tao amin’ny  sampandraharaha momba ny resaka vaksiny “Direction de Programmation Elargie de Vaccination” – DPEV izy io. Namatsy vola  izany ny  “Global Alliance for Vaccines and Immunization” – Gavi.

Tsiahivina fa vita tamin’ity volana aogositra ity ny fitsarana  andiany voalohany. Maro anisa amin’ireo ny  fanodinkodinam-bolam-panjakana. 60 ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha miisa 10. Ahitana mpitondra teo aloha sy mpandraharaha ary olon-tsotra ireo raharaha efa nandalo teny amin’ny 67 ha ireo.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique