Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kamiaobe nivadika: olona fito maty voatsindrin’ny kaontenera

Kamiaobe nivadika: olona fito maty voatsindrin’ny kaontenera

Nitrangana lozam-piarakodia mahatsiravina tao amin’ny fokontany Ambodinonara kaominina ambanivohitr’i Fanandrahana RN2 teo amin’ny PK 35 raha miala avy any Toamasina, omaly. Kamiaobe iray nitondra kaontenera no nivadika. Olona roa maty voatsindrin’ny kaontenera…

Kamiaobe nandeha mafy ity namoa-doza ity ka latsaka tampoka teny am-pandehanana ny kaontenera nentin’ilay kamiaobe ary nivadika nanaraka izany koa ny lohan’ilay kamiaobe ka nifatratra nianjera tamin’ireo olona nandeha tamin’ny sisin-dalana, araka ny fanazavan’ny fianakavian’ireo niharam-boina. Voalaza fa tsena, omaly, tao amin’io tanàna io ka maro ny olona nifamezivezy sy namelatra entam-barotra tamin’ny sisin-dalana. Nifanandrify indrindra tamin’ny andro tsenan’ny tantsaha ity loza mahatsiravina ity. Vokany, olona maromaro indray hita faty voatsindrin’ny kaonterana niampy ireo olona roa hafa tena naratra mafy. Araka ny fanazavan’ny fianakavian’ireo niharam-boina, olona miisa fito indray maty nianjeran’ilay kaontenera ary mbola misy aza ireo taraiky ao ambanin’ilay kaontenera hatramin’ny fotoana niresahan’ny fianakavian’ireo niharam-boina tamin’ny mpanao gazety, omaly hariva. Olona roa kosa tena naratra mafy ka nentina haingana eny amin’ny hopitalibe Toamasina. Tampoka ny fiavian’ny loza, omaly, hany ka horakoraka anaty fifanjevoana sisa no niainan’ireo nanatri-maso ny fitrangan’ny loza. Nandray an-tanana ireo niharam-boina kosa ny prefet-n’i Toamasina ka nandray an-tanana ny fikarakarana ireo maratra. Tokony hojeren’ny tompon’andraikitra akaiky mihitsy momba ireny kamiaobe mitondra kaontenera ireny mivezivevy amin’iny RN2. Ny lalana efa ratsy, ny fiara mandeha, ny kaontenera entina mihetsiketsika eo ambony kamiao. Tsy misy fiarovana fa mipetraka fotsiny ny ankamaroan’ireny kaontenera entin’ireny kamiaobe ireny.

Sajo sy J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique