Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Talenta vaovao: mitrandraka ny “zouk love” i Dyva

Talenta vaovao: mitrandraka ny “zouk love” i Dyva

Toy ny ankamaroan’ny ankizy, tia mihira, raha fony mbola zaza, Razananoro Mireille William, tovovavy avy any Antsirabe, saingy lehibe tany Arivonimamo any. Tsy navelany ho nofinofy fotsiny izany, ankehitriny, na efa renim-pianakaviana aza izy. Tsy ela akory izay, tapa-kevitra ny vehivavy fa hiditra eo amin’ny tontolon’ny fihirana ka nisafidy ny anarana hoe Dyva, fitambaran’ny anaran-janany: Dylane Valerie. «Tsy ho hadinoko» ny lohatenin’ny hira voalohany navoakany, nosoratany sy namoronany feony. Anisan’ny nanampy azy tamin’ny famoahana io vokatra io ny Davalt Rwikordz. Mampiavaka an’i Dyva ny fanasongadinany ny gadona “zouk love”, saingy ao anatin’ny vinany ny hivelatra amin’ny mozika samihafa, araka ny nambarany. Tanjony mantsy ny hankafizan’ny sokajin’olon-drehetra ny zavakanto ataony ka tsy handalo fotsiny eo amin’ity sehatry ny mozika ity izy fa hiezaka hametraka ny tantarany sy ny maha izy azy, araka ny voalazany. Iray ihany aloha ny rindran-tsary na “clip” navoakan’i Dyva, saingy nambarany fa efa maromaro ny vazo efa vonona. Ao anatin’ny fanomanana ny famoahana vokatra vaovao indray ity mpanakanto ity ary miara-dalana amin’izany ny fampahafantarana sy ny fanaparitahana ireo.

Randria.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique