Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sofia: tsy misy ny solika

Mandalo fotoan-tsarotra ny famatsiana solika any amin’ny faritra Sofia, amin’izao fotoana izao. Voatery manafatra solika, karazany rehetra avy aty an-dRenivohitra, ny mpitatitra sy ny mpandraharaha maro. Tafakatra lafobe anefa ny saram-pitaterana izany, ankoatra ny any amin’ny varo-maizina, indrindra ny solika fandrehitra fampiasan’ny maro, ka miantraika amin’ny fiainan’ny mponina. Nanazava ny ao amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo fa noho ny fanavaozana ny fifanarahana eo amin’ny mpaninjara solika sy ny mpitatitra ny mahatonga izao. Nilaza ny minisitera fa efa vita izany fifanarahana izany ka tsy tokony hisy intsony ny olana.

Momba izay famatsiana solika izay ihany, nanome toky ny ao amin’ny OMH (Office malgache des hydrocarbures) fa azo antoka ny famatsiana manerana ny lalam-pirenena rehetra mialoha ny fahatongavan’ny ray masina, papa François.

 

M.C

Les commentaires sont fermées.