Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Namono nahafaty ny vadiny: voaheloka higadra mandra-pahafatiny i Joseph Martial

Namono nahafaty ny vadiny: voaheloka higadra mandra-pahafatiny i Joseph Martial

Tsy nitsitsy ny mpitsara mpamoaka didy eo anivon’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina, nandritra ny fotoam-pitsarana ny raharaha vonoan’olona mahatsiravina  tao amin’ny kaominina Toamasina suburbain, distrikan’i Toamasina II, ny alin’ny 3 septambra 2017 izay namonoan’i Joseph Martial, raim-pianakaviana 37 taona, ny vadiny. Fantatra, nandritra ny fanadihadiana azy teny amin’ny lapan’ny Fitsarana, omaly maraina, fa efa fanaon’izy mivady ny miady ary mifampikasi-tanana hatrany isaky ny mandray vola ity raim-pianakaviana ity. Misotro toaka izy ka raikitra ny fifamaliana eo amin’izy mivady rehefa miditra ny trano hany ka zary efa mahazatra ny mpifanolo-bodirindrina izany ary lasa tsy misy miraharaha intsony. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitsara sy ny mpampano lalàna ambony no nivoahan’ny marina satria maty daroka noho ny nataon’ity raim-pianakaviana ity ny vadiny. Tsy vitan’izay fa mbola nororotiny tany anaty ala ny fatim-badiny. Ny 4 septambra 2017 maraina no hitan’ny fokonolona ny razana ka teo vao gaga ny rehetra ary nilaza ho tsy nahafantatra izany ilay rangahy vadiny. Nilatsaka ny sazy ka izao voaheloka higadra mandra-pahafatiny izao izy.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.