Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Lalao afrikanina” – Basikety: tafakatra famaranana amin’ny “Shoot Out Contest” i Elly

“Lalao afrikanina” – Basikety: tafakatra famaranana amin’ny “Shoot Out Contest” i Elly

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny taranja basikety, ao anatin’ny “Lalao afrikanina”, any Maraoka. Tafakatra amin’ny lalao famaranana amin’ny “Shout Out Contest” Randriamampionona Elly, nahafaty baolina miisa enina. Omaly ihany koa no nanatanterahana ny ampahefa-dalana 3×3 izay nahazoan’ny ekipantsika ny tapakila hiakarana amin’ny manasa-dalana, resintsika tamin’ny isa 18 noho 17, tamin’ny alalan’ny fanalavam-potoana, ny ekipan’ny Angola.

Vaovao hafa

Isan’ny hiaka-tsehatra, anio, ny eo amin’ny taranja karate, ahitana an’i Tanjona (-60kg), i Billy (-67 kg), i Patrick (-75kg), eo amin’ny kata, olon-tokana, ahitana an’i Tsiory ary ny isan-tarika kosa i Mamy, i Mitozo, i Brandon. I Miora izay efa tompondaka an’i Afrika no anisan’ny hitsara mandritra ity fifaninanana ity ary Ratefinjanahary Emile, mpikatroka tao anatin’ny ekipa nasionaly sy mpanazatra nasionaly, kosa ny mpanazatra ireto karateka malagasy ireto. Ankoatra izay, hiakatra an-tsehatra amin’ity faran’ny herinandro ity ihany koa ny atleta malagasy, taranja fibatana fonjamby.

Eo amin’ity “Lalao afrikanina” ity hatrany, laharana faha-12 no nisy antsika teo amin’ny tenisy ambony latabatra, taorian’ny faharesena azontsika teo anatrehan’i Kongo, tamin’ny isa 3 no ho 2.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique