Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra afrikanina – “Ligue des champions”: vonona mbola haka fandresena indray ny Fosa Jr Boeny

Hotontosaina atsy Nosy Maorisy, rahampitso alahady, ny fihaonana savaranonando miverina, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra. Lalao hikatrohan’ny Fosa Jr Boeny sy ny Pamplemousse SC-n’i Maorisy. Efa any an-toerana, nanomboka ny alakamisy lasa teo, ny ekipan’ny Fosa. Vonona izy 20 mirahalahy mbola haka fandresena indray amin’ity fihaonana ity. Raha tsiahivina, efa manana tombon’isa 1 no ho 0 ny Fosa Jr Boeny, nandritra ny lalao mandroso, tapa-bolana lasa tany Mahajanga.

“Tsy hianona amin’io tombonisa io izahay fa tsy maintsy manafika ary hiezaka ny hamono baolina an-tanin’olona”, hoy Rasoanaivo Titi, mpanazatra, tamin’ny tafa fohy tamin’ny mpanao gazety, nialoha ny niaingan’izy ireo. Nomarihiny fa nifantoka tamin’ny fanitsiana ireo olana teo amin’ny tsy fahaizan’ny lohalaharana mamono baolina ny fanazarantenan’ny Fosa Jr Boeny.

Ireo mpilalao heverina fa manana izay herijika izay, araka izany, no mandrafitra ny Fosa Jr Boeny. Fandresena na ady sahala fotsiny dia efa ampy hiakaran’ny ekipa malagasy hiatrehana ny fihodinana faharoa, hikatrohana amin’ny Tout Puissant Mazembe-n’ny Repoblika demokratikan’i Kongo.

Tompondaka

Ireo mpilalaon’ny Fosa Jr Boeny 

 

1-Fabrice ; 2-Theodin ; 3-Lolody ; 4-Doda ; 5-Baggio ; 6-Dounga ; 7-Maso ; 8-Dahery ; 9-Jean-Yves ; 10-Besna ; 11-Sambatra ; 12-Santatra ; 13-Elio ; 14-Mbola ; 15-Nicolas ; 16-Fetra ; 17-Nina ; 18-Hery ; 19-Andry Max ; 20-Orlando.

 

Les commentaires sont fermées.