Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritra Betsiboka: nahazo fitaovana hidiana amin’ny kidnapping

Nidina tany amin’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ao anatin’ny faritra Betsiboka (i Tsaratanàna sy i Maevatanàna) ny filoha Rajoelina, notronin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Léon Richard, omaly. Ho an’i Tsaratanàna, malaza amin’ny fakana an-keriny sy ny asan-dahalo, ka mampalaza ilay lehiben’ny dahalo karohina mafy hatramin’izao, i Del Kely. Napetraky ny filoham-pirenena koa ny vato fototry ny fanamboarana ny “Base opérationnelle avancée” (BOA) na tobim-pamaharana vaovao ao amin’ny kaominina Bakapaika. Trano handraisana vondron-tobin-tafika mahazaka miaramila miisa 84 eo ho eo ary ahitana toby fametrahana fitaovam-piadiana sy toerana fipetrahan’ny helikoptera. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovana, dimy ny vinavinaina hapetraka manerana ny Nosy. Azo lazaina fa “base pilote” izany ity ao Tsaratanàna ity. Ho vita ao anatin’ny roa volana ny asa fanamboarana ity toby ity, araka ny fanazavany. Nohamafisin’ny filoha Rajoelina hatrany ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ary ho fampirisihana ny mpitandro filaminana, hapetraka ny fitantanana miainga amin’ny fanomezana valisoa sy tambiny ho an’ireo nahatanteraka ny asa ankinina aminy. Homena tambiny manokana ireo miaramila avy nanao iraka nandritra ny enim-bolana. Nihazo an’i Maevatanàna indray ny filoha Rajoelina sy ireo delegasiona miaraka aminy. Distrika iray malaza ratsy amin’ny asan-dahalo. Misy ny vondrona manokana mpampandry tany na ny “ZRPS Delta” ny ao Maevatanàna ary nanolotra fiara tsy mataho-dalana ho an’ny Tafika ny filoha Rajoelina.

Jean Claude

 

 

Les commentaires sont fermées.