Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Etazonia – Madagasikara: ifantohana ny fanatsarana ny fambolena sy ny fiompiana

Etazonia – Madagasikara: ifantohana ny fanatsarana ny fambolena sy ny fiompiana

Maro ireo tetikasa iarahan’ny fanjakana amerikanina manatanteraka amin’i Madagasikara ho fanampiana ny tantsaha hanatsarana ny fambolena  sy ny fiompiana.

Marihina amin’ireo tetikasa voalaza ireo ny fahitana Amerikanina sy Malagasy miara-miasa amin’ny lafiny rehetra hiatrehana ny fanamby eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Nisy ny fihaonana teo amin’ny ambasadaoron’i Etazonia, i Michael P. Pelletier, sy ny tale jeneralin’ny USAID, i John Dunlop, ary Rakotoniaina Marina, talen’ny Agribusiness ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana sy ny jono, niaraka tamin’ny solontenan’ireo tetikasa ireo.

Nanolotra ny mombamomba ny asa ataony avy ny mpandray anjara ary navoitra avy eo ny olana sedrain’ny tantsaha eo amin’ny fambolena. Nambara ny fomba hanatsarana ny fiasan’ireo tantsaha hampitombo ny vokatra, hialana amin’ny fambolena nentim-paharazana. Avy eo, nasian-teny ny fomba hidirana amin’ny tsena eto an-toerana, ny tsenam-paritra sy ny iraisam-pirenena. Taorian’izay, nisy fambolena hazo moringa, loharanon-tsakafo manome hery sy mamelona ny raviny, ho fanamarihana ny fiaraha-miasa maharitra misy eo amin’i Etazonia sy i Madagasikara hanatsarana ny fambolena, ny fiompiana, ary ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Fambolena, fiompiana, jono

Tanjon’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono ny fahatrarana ny fahavitan-tena sakafo ho an’ny vahoaka malagasy sy hampanarahana ny toetr’andro ny sehatry ny fambolena. Misy fanovana lehibe entin’ny minisitera amin’izao fotoana izao ho fanavaozana sy hakana traikefa avy amin’ny lafiny rehetra. Mifototra amin’ny fanodinam-bokatra fihinana ity fanavaozana ity, hampiasam-bola avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Ezahina ho matihanina ny mpamokatra amina sehatra misy azy. Manana andraikitra amin’izany ny fitondram-panjakana, ny fikambanana tsy miankina sy iraisam-pirenena, ny tantsaha sy ireo mpiantsehatra any ambanivohitra ary ny sehatra tsy miankina.

Tetikasa “Farmer-to-Farmer”

Mampiasa tantsaha manana traikefa sy za-draharaha manokana momba ny fambolena avy any Etazonia ny tetikasa Farmer-to-Farmer, tohanan’ny USAID. Hametrahana fiaraha-miasa fohy ezaka aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana ka tanjona voalohany ny hampitombo toekarena maharitra eo amin’ny sehatry ny fambolena. Ny atao amin’izany tetikasa izany eto, ny fiompiana hazandrano, ny fambolem-bary sy ny voninkazo: manatsara ny kalitao sy ny vokatra, indrindra ny vola miditra amin’ny tantsaha ireo.

 

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique