Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Banky SG Madagasikara: tolotra ho an’ny fidiran’ny mpianatra

Mila fiomanana mialoha ny fidiran’ny mpianatra. Mamaly ny filàn’ny mpanjifa tsy ankanavaka ny tolotra Soafeno omen’ny banky Société générale (SG) Madagasikara, ahitana sokajy maromaro. Tsotra sady haingana, mivaly ao anatin’ny iray andro ny fangatahana. Anisan’izany ny tolotra manokana, ny Soafeno fidiran’ny mpianatra « Milamina be », nanomboka ny 19 aogositra teo hatramin’ny 19 oktobra 2019 ho avy izao. Nohamaivanina ny tahan’ny zanabola sady omena torolalana sy torohevitra ny mpanjifa.

Misy koa ny tolotra hafa, toy ny Soafeno express ho an’ny fianaran’ny ankizy, ny fikarakarana vanim-potoana manokana, ny fividianana trano na kojakoja ao an-trano, ny Soafeno auto hividianana fiara vaovao na efa niasa, ny Soafeno moto ho an’ny moto. Vokatra natao hanatanterahana ny paikady vaovao hanakaikezan’ny SG Madagasikara ny mpanjifa avokoa ireo voatanisa ireo.

Tsiahivina fa hita manerana ny masoivohon’ity banky ity avokoa ny tolotra omena ny mpanjifa.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.