Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatovy: mahazo tohana ireo tantsaha manodidina

Ambatovy: mahazo tohana ireo tantsaha manodidina

Manampy ireo tantsaha hanitatra ny lalam-barotra ny orinasa Ambatovy. Notohanana ny fandraisan’ireo tantsaha 13 anjara avy amin’ny kaoperativa 10 ao Toamasina II (tanànan’i Vohitrambato sy manodidina ny fanatobiana ny ambin’akora ao Tanandava), manodidina ny toeram-pitrandrahana ao Moramanga sy manamorona ny fantsomby, nandritra ny “Fier-Mada 2019 Ambatovy”. Tafiditra ao anatin’ireo fandaharanasa fanohanana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tantsaha, monina amin’ireo faritra voakasiky ny asan’Ambatovy, izao fanampiana izao. Ny hanampiana ny tantsaha hanome lanja kokoa ny vokatr’izy ireo ho fantatry ny mpandraharaha eo amin’ny lafiny toekarena. Tanjona amin’izany ny hahafahana manitatra lalam-barotra.

Tsiahivina fa ankoatra ity fampifandraisana amin’ny mpanjifa sy ny mpiombon’antoka ity, maro ireo tohana omen’Ambatovy ireo tantsaha ireo, arakaraka ny filàn’ny fikambanana tsirairay avy, toy ny tohana eo amin’ny lafiny teknika (fampiofanana mikasika ny fambolena sy ny fiompiana, ny fitantanana fikambanana…), ny fanomezana akora ary ny fikarakarana fitsidihana ifampizarana traikefa amin’ny tantsaha any amin’ny faritra hafa, hahazoana fahalalana sy teknika fanampiny momba ny seha-pihariana misy azy ireo.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.