Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatolampy: FIGN 75 lahy nahavita fiofanana

Ambatolampy: FIGN 75 lahy nahavita fiofanana

Notanterahina, afakomaly tany amin’ny toby fanofanana manokana ireo zandary any Ambatolampy, ny famaranana ny fiofanana nataon’ireo zandary avy ao amin’ny hery vonjy taitra ny zandarimariam-pirenena (FIGN). Miisa 75 mirahalaly ireo zandary nahavita fiofanana momba ny fitandroana filaminana ka afaka misehatra amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara ireto zandary ireto raha misy korontana na toe-draharaha ilàna azy ireo. Nanamarika izao famaranana ny fiofanana izao ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (ComGN) sy ireo manamboninahitra eo anivon’ny zandarimaria ary narahina fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fitandroana filaminana izany. Nanamafy ny ComGN fa ilaina hatrany ny fiofanana ho an’ireo zandary hanovozany sy hamafisan’izy ireo traikefa entina miatrika ny korontana mety hisy amin’ny filaminam-bahoaka amin’ny endriny rehetra.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.