Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

“Motocross tout terrain”: Hotanterahina any Ilakaka indray ny dingana fahefatra, ho an’ny taom-pilalaovana 2019, hiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara ny “Motocross”. Lalao hotontosaina ny alahady ho avy izao. Hizara roa ny fifaninanana ka haharitra 20 minitra avy izany. Tsahivina fa ity no andiany faha-14 amin’ny GP (Grand prix) hatao any Ilakaka. Ho tazana manditra io fotoana io avokoa ireo mpitondra moto “tout terrain” kalaza rehetra, efa nandray anjara tamin’ny dingana telo voalohany.

Rugby Top 20: Hanafika any Toamasina ny ekipan’ny FTBA Andohatapenaka, ao anatin’ny lalao sakana hijanona ao anatin’ny Top, taranja rugby. Hotanterahina ny alahady ho avy izao ny lalao, hifanandrinan’ity ekipa ity amin’ny ekipan’ny Atsinanana Rugby. Ity farany izay sambany hilalao amin’ity fifaninanana ity ary vonona ny hifandona amin’ny ekipa goavana toa ny FTBA. Hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro ny lalao ao amin’ny kianja monisipaly ny Toamasina.

 

Nangonin’i Mi.Raz

 

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique