Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Rodorodo Haona Fi »: hanolotra tolotrasa 400 ny mpikarakara

Hiditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika « Rodorodo Haona Fi » karakarain’ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny 30 oktobra ka hatramin’ny 2 novambra ho avy izao, eny amin’ny Tanàna Voara Andohatapenaka. Tanjona ny hizara ny Filazantsara ho an’ny mpitsidika sy ny fampisehoana fiombonana sy fifankatiavana amin’ny sahanasa rehetra ho hita eny an-toerana. 200 ny tranoheva hampiranty sy hivarotra entana sy vokatra samihafa ho an’ny mpitsdika 30 000 andrasana mandritra ny hefarana. Hiavaka ny hetsika satria hahazo vahana ny sosialy amin’ny fizahana maimaimpoana momba ny fitiliana ny dibeta, ny fijerena ny maso sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. « Hakana sarany 5 000 Ar kosa ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono raha misoratra anarana any amin’ny Fiangonana ilay vehivavy. 10 000 Ar ny vola hefaina raha tonga eny an-toerana ka maniry ny hatao ireo karazam-pitiliana ireo », hoy ny komity mpikarakara, i Disaile Lala, teny Analakely, omaly.

Hampiofanana momba ny fambolena sy ny fiompiana ny teknisianina manokana ho an’ireo vonona hitrandraka izany fihariana izany. Hanome fahalalana manodidina ny fahaiza-mitarika sy ny fandraharahana ny mpikarakara ho an’ireo liana. Ankoatra izay, hisy tolotrasa 400 miandry ny mpitady fivelomana miaraka amin’ny orinasa maro.

Ho an’ny andiany faharoa, manamarika azy ny “Kolorallye” hiandrasana fiara 40 ahitana mpanamory roa ka hatramin’ny efatra isaky ny fiara izay hifaninanana amin’ny familiana fiarakodia. “Sady fialamboly no fanampiana ny sosialy ny hetsika”, hoy ny sekretera jeneralin’ny FJKM, Radimison Jonah.

Vonjy                    

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique