Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nicolas Dupuis – « Club des partenaires »: vonona hiara-hiasa sy hifanohana hatrany

Nicolas Dupuis – « Club des partenaires »: vonona hiara-hiasa sy hifanohana hatrany

Nanambara ny mpanazatran’ny ekipam-pirenena, i Nicolas Dupuis, omaly, nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpanohana ao anatin’ny “club des partenaires”, fa isan’ny nahazoan’ny Bareo ireny vokatra tsara ireny ny fanohanan’ireo mpanohana marobe nanohana fitaovana sy vola ary moraly. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, niaraka tamin’ny « clubs des partenaires » izy, omaly, tetsy amin’ny Toit de Tanà Carlton Anosy ary nilaza fa vonona ny hanohy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanohana, tarihin’ny orinasa Telma, mpanohana manatantara ny baolina kitra malagasy sy ireo orinasa maro, ny Canal +, ny BNI, ny Jovena, ny Star, ny Leader Price ary ny maro hafa. Tetsy ankilany, naneho izay fahavononany hanosika ny ekipa malagasy sy ny fanatanjahantena malagasy izay ihany koa ireo mpanohana ireo.

Isan’ny nitondran’i Nicolas Dupuis fanazavana ihany koa ny mahakasika ny fanavaozana ny fiaraha-miasa amin’ny maha mpanazatra azy ny Barean’i Madagasikara. Nisy, hoy izy, ny fihaonana tamin’ny fitondram-panjakana malagasy ka nohalavaina ho efa-taona indray ny fifanaraham-piaraha-miasa. Mbola vonona izy hanome ny tsara kokoa hatrany ary nankasitrahany ny fanohanana ny ekipam-pirenena malagasy.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique