Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Metalygasy »: haneho ny fahaiza-mitendry gitara i Milon Kazar

« Metalygasy »: haneho ny fahaiza-mitendry gitara i Milon Kazar

Sambany raha eo amin’ny tantaran’ny fitendrena gitara! Hanatanteraka seho iray anisan’ny miavaka i Milon Kazar sy ny gitarany, rahampitso manomboka amin’ny 8 ora alina, ao amin’ny Kudeta Carlton Anosy. Raha ny filalaovana ny mozika metaly no ahafantarana an’i Milon hatramin’izay, amin’ity indray mitoraka ity, haneho ny fahaizany mitendry latino, mitendry klasika, mitendry« variéte » (malagasy sy vahiny), mitendry flamenco, gadona malagasy vakodrazana…), sns. « Cabaret acoustic and electric », hoy ry zareo avy ao amin’ny Sandix mikarakara ny « Metalygasy » raha namintina ny seho ho hita rahampitso. Ny 30 aogositra, hotohizana eny amin’ny Is’Art Galerie Ampasanimalo indray ity hetsika ity. Fampisehoana an-tsehatra miaraka amin’ny tarika Kazar. Hotanterahina, anio eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, kosa ilay velakevitra arahina fifanakalozan-kevitra. Hofakafakaina amin’izany ny: « Aiza ho aiza ny tsenan’ny metaly sy ny rock eto Madagasikara ».

Fantatra fa tsy tazana tao anatin’ny taona vitsivitsy teny an-tsehatra ny tarika Kazar. Na izany aza, mbola mitoetra hatrany ny fitiavan’ny maro ity tarika anisan’ny sangany sy zokiny amin’ny filalaovana ny mozika metaly sy ny hard rock ity.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.