Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filankevitry ny minisitra: mitaky asa mivaingana miantraika amin’ny vahoaka ny filoha

Filankevitry ny minisitra: mitaky asa mivaingana miantraika amin’ny vahoaka ny filoha

Hentitra ny taratasy nataon’ny filoha Rajoelina ho an’ny mpikambana eo anivon’ny  governemanta, niainga tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha. 

Nisy koa ny  toromarika  samihafa  hirosoana bebe  kokoa.

«Tsy maintsy hafainganina sy hatsaraina ary atao mivaingana ao anatin’ny fotoana fohy ireo tetika sy lamina rehetra napetraka hipaka mivantana any amin’ny fiainam-bahoaka”, hoy ny  filoham-pirenena. Nanteriny fa hanova ary hanatratra ny fahatarana misy eto amin’ny firenena nandritra ny taona maro ny fitondrana. “Noho izany, tsy maintsy tanteraka io vina napetraka io. Tsy maintsy tontosaina amin’ny alalan’ny hetsika sy tetikasa mivaingana ka mampivoatra ny andavanandrom-piainan’ny olom-pirenena tsirairay. Anjaratsika, araka ny andraikitra nomena sy tandrify antsika tsirairay avy, ny manatanteraka izany”, hoy ihany izy. Nohitsiny fa mitaky fomba fisainana vaovao, fomba fiasa vaovao, fanovana fomba fitantanana izany.

Mila manova toetsaina 

Misy ny fifanohizan’ny fitantanan-draharaham-pirenena, saingy tsy tokony hisalasala

hiroso amin’ny fanovana ho amin’ny tsaratsara kokoa, araka ny nambarany. Tanjona ny hitady ny tombontsoa iombonana sy hiantoka ny mahasoa ny vahoaka. “Mitaky fialana amin’ireo fahazaran-dratsy sy ny kolontsaina tsy ahazoam-bokatra izany. Fampitsarahana tanteraka amin’ny asany  alasafay entina hahazoana dera sy tombontsoa mihoa-pampana.

Mila manova fomba fiasa sy toetsaina isika ary voakasik’izany avokoa ny mpiasam-panjakana rehetra isan’ambaratongam-pitantanana rehetra. Fitaovana iray eo am-pelatanan’ny mpitondra hoentina mampandroso sy manova ary mampivoatra ny firenena ny  fitantanan-draharaham-panjakana fa tsy fikatsahana tombontsoa manokana na olom-bitsy”, hoy ihany ny filoha Rajoelina. Anisan’ny nambarany ho asa mivaingana ny nampitomboan’ny Banky iraisam-pirenena avo roa heny ny famatsiam-bola ho an’ny fampitomboana ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fiarovana ny fananan-tany (Casef). Hanohanana ny fanampiana vola ireo tokantrano marefo koa izany. Ahafahana manome fanamarinana fananan-tany miisa roa tapitrisa hatramin’ny taona 2022.

Hanova ny fiainan-tokantranon’ny marefo

Ny fanamboarana ireo lalana ambanivohitra, mba hampifandraisana ireo mpamokatra sy ireo tsena ary hanohanana ny fanatsarana ny vokatra aondrantsika. Eo ihany koa ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana amin’ny famatsiana ny fanamboarana ny lalana RN5-A sy ny firoson’izany asa izany. “Hanova ny fiainan-tokantrano analiny maro ireo fanapahan-kevitra roa ireo”, hoy izy. Momba ny lafiny sosialy, hampitomboina ireo tetikasa hampihena ny vesatry ny vidim-piainana eny anivon’ny vahoaka ary koa hanampy ireo vondron’olona marefo.

Handeha lavitra sy haingana

Manomboka izao, tsy maintsy ampiasaina amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa ny fanampiana avy any ivelany momba ny fampiofanana, ny fanomezana solosaina sy ny fiara ho an’ny fitantanana, tsy misy vokatra mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka. Havadika hanamboarana ho an’ny tohodrano, ny lalana, ny fitaovana fambolena sy fiompiana, ny toeram-pitsaboana, ny sekoly izany. “Handeha lavitra isika fa mila mandeha haingana koa”, hoy ny filoha Rajoelina.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.