Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vaovaon’ny kitra

Fifidianana ny FMF: Hanatrika i Fatma Samoura

Anisan’ireo olona manankaja hanatrika ny fizotran’ny fifidianana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), any Ifaty, Toliara, ny sekretera jeneralin’ny federasiona iraisam-pirenena, ramatoa Fatma Samoura. Raha tsiahivina, hotanterahina ny asabotsy 24 aogositra ho avy izao izany ary miisa dimy mirahalahy ireo hifaninana: Rabekoto Raoul, i Mohamad Abdillah, Andriamiasasoa Doda, Rasoamaromaka Hery ary Rakotomamonjy Neypatraiky.

Fosa Junior Boeny: Mpilalao 20 ny ho atsy Maorisy

Hanainga, amin’ity alakamisy ity, ho atsy Maorisy, ny Fosa Jr Boeny. Hanatrika ny lalao miverina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hikatrohana amin’ny Pamplemousses SC. Mpilalao 20 mirahalahy ny hanatrika izany fihaonana izany. Tsiahivina fa efa nanantombo tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, ny Fosa Jr, nandritra ny lalao mandroso, natao tany Mahajanga, tapa-bolana lasa izay.

 

Nangonin’i Tompondaka

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique