Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Oniversiten’Antananarivo sy i Kyoto: hamafisina ny fiaraha-miasa

Oniversiten’Antananarivo sy i Kyoto: hamafisina ny fiaraha-miasa

Vita, omaly, ny sonia fanavaozana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ny oniversiten’i Kyoto any Japon. Efa naharitra 30 taona ny fiaraha-misan’ny roa tonta. Hatramin’ny taona 1989, efa nisy ny asa fikarohana niarahana nanao, indrindra ny mahakasika ireo karazan-gidro sy ny karazam-borona.

Nivoatra nanaraka ny taona ny fifanarahana sy ny fiaraha-miasan’ny oniversite roa tonta teo amin’ny tontolon’ny zavaboahary sy ny fandalinana ny toetry ny biby.

Manana tombony amin’ny lafin’ny siansa ny oniversiten’Antananarivo amin’ny alalan’ny fiara-miasa amin’ity oniversiten’i Kyoto ity. Eo koa ny sehatry ny fizahantany mahasarika ireo vahiny amin’ireo karazam-biby anaovana fikarohana sy ny fandalinana, toy ireo gidro sy ny vorona any atsimo andrefana.

Hanamafy ny fifanakalozana eo amin’ny sehatry ny voka-pikarohana siantifika ny anton’ny sonia niarahan’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, Ravelomanana Mamy Raoul, sy ny filohan’ny oniversiten’i Kyoto, i Juichi Yamagiwa, omaly.

Hiitatra amin’ny mety ho fandehanan’ny mpampianatra japoney eto Madagasikara sy ny mpikaroka alagasy any Japon ny fiaraha-miasa. Eo koa ireo mpianatra hisitraka izany fifanakalozana izany.

Eo ko ny famatsiana fitaovana hapiroboroboana ny sehatry ny fikarohana eo amin’ny tontolon’ny zavaboary izay hataon’ny oniversiten’i Kyoto.

Nangataka ny oniversiten’Antananarivo mba hamorain’ny fanjakana ny tataon-ketra alaina amin’ny fampidirana izany fitaovana izany hanamorana ny fiaraha-miasa.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique