Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mitombo ny fikarohana: manatsara ny hoditra ny saribao

Mitombo ny fikarohana: manatsara ny hoditra ny saribao

Tsy araka ny nieritreretana azy! Fanao hanadiovana na hanatsarana ny hoditra sy ny tarehy ny tanimanga ary maro ny orinasa na tranombarotra mamokatra azy. Etsy ankilany, mihevitra ny maro fa maloto ny saribao, na efa hatry ny ela aza ny nampiasana ny vovon-tsaribao hanadiovana ny nify, ohatra. Tsy mitsaha-mitombo anefa ny fikarohana ataon’ny manampahaizana. Araka ny fandalinana sy ny fanadihadiana nataon-dRtoa Nina Roos, azo ampiasaina tsara sady mahomby ny mampiasa ny savony avy amin’ny saribao, nalaina tamin’ny zavamaniry, hanadiovana sy hikojakojana ny tarehy sy ny hoditra. Voamarina fa manadio ny zavatra avy amin’ny zavamaniry satria voajanahary tanteraka ary tsy mila akora simika ho fangarony. Mitroka ny loto sy manalefaka ary manadio ny masonkoditra, nefa tsy manimba azy. Manatanora ny hoditra izany, sady miaro amin’ny aretin-koditra sy ny endriky ny fahanterana aloha loatra, toy ireny pentina mainty ireny, sy ny mony, ohatra.

Mamerina amin’ny laoniny

Araka ny voalaza etsy ambony, mitroka ny loto na ny karazana akora samihafa (sebum) amin’ny hoditra, toy ny menaka mivoaka amin’ny masonkoditra, ny savony vita amin’ny vovo-tsaribao. Manakana ny bakteria sy ny aretin-koditra samihafa tsy hipoitra na koa manala ny fofona. Mamerina amin’ny laoniny ny hoditra ho salama indray, toy ny vokatry ny fifohana sigara na noho ny haloton’ny rivotra, ohatra. Araka ny tatitry ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana (OMS), miaina anaty tontolo iainana maloto ny 92%-n’ny olombelona. Misy ny loto amin’ny tontolo anatiny toy ny trano fonenana, ny toeram-piasana na ny fitaovana ampiasaina, andaniny. Eo koa ny haloton’ny rivotra iainana, ankilany.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.