Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mila mijery lavitra

Ny amin’ny satan’ny fanoherana izao no mahabe resaka. Hanao ahoana? Mahabe adihevitra ny hoe: avy amin’ireo solombavambahoaka eo anivon’ny Antenimierampirenena sa olona avy any ivelany ny ho lehiben’ny mpanohitra? Ady fiady, mampiady…

Tsy voatsinjo lavitra izany tamin’ny nandrafetana ny lalàna? Mety izay hatrany no mampifanditra, mahavoa, mampikorontana… Nahoana? Saika mibahan-toerana hatrany ny paipaika sy ny kajikajy politika, na amin’ny fanaovan-dalàna aza.

Mila mijery lavitra amin’izay raha tena hanao fanovana, na amin’izay hoe fanaovan-dalàna izay aza, ohatra? Raha tsy izany, ho sasatry ny miarina lava eto amin’izay atao rehetra: tsy misy fanohizana sy fanatsarana izay efa natomboka…

Toy ny hoe miainga amin’ny tsy misy hatrany izay atao rehetra? Na tsy misy na inona na inona teo aloha… Ny natao omaly no nahatonga ny anio, ary izay atao izao no mandrafitra ny rahampitso… Mila mijery lavitra amin’izay?

R.Nd.

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique