Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mbola misy ve ny Malagasy ?

Mbola misy ve ny Malagasy ?

Tsy ny tsirairay no nisafidy ho Malagasy fa kabarin-Janahary ny amin’iny. Matetika anefa, tsy mahatazona izay maha Malagasy azy izay ny Malagasy, indrindra fa ny taranaka aty aoriana. Miainga eo amin’ny fahaterahana, anaram-bahiny tsy fanta-pototra ery no hasalotra ilay voatavo tsy mifandraka. Vao miana-miteny, ampianarina miboredidredika amin-java-tsy misy fotony sy tsy sahaza ny maha Malagasy azy akory. Rehefa mby eo amin’ny taon’ny tokony hianatra, karohin’ireo ray aman-dreny fatratra ny sekoly mampiasa sy miteny ny teny vahiny hampianarana ilay zaza. Volavolaina amin’ny teny vahiny indray rehefa eny ambony dabilion-tsekoly. Ny fandaharam-pianarana sy ny taranja ianarana, mbola ilay manome vahana sy lanja ny vahiny ihany…

… Hitady asa fa nahavita fianarana, tsy voaray, hono, fa tsy mahay teny vahiny. Raha mba tafiditra miasa indray, kevoka sy dedaka ary mihevi-tena ho dadany fa mahay miteny vahiny, « hono ». Tonga eo amin’ny taon’ny hanambady, fombam-bahiny tsy hay akory izay heviny, fihetsika sy kolontsaina tsy mitohoka amin’ny maha Malagasy kanefa atao satria fahita any amin’ny firenena mandroso, « hono »… Dia tahaka izay hatrany ny tsingerim-piainan-dRamalagasy rehefa hiteraka indray ireo ray aman-dreny ireo.

… Aiza ho aiza amin’ireo ary ny ahafahana milaza fa mbola misy ny Malagasy ? Ny famolavolana manontolo, naompana tanteraka amin’ny fiainam-bahiny. Ireo mahatazona ny maha Malagasy azy indray no igagana toa vazaha misalaka. Hanao ahoana ny hoavin’i Madagasikara?

« Tsy sarotra valina io fanontaniana io fa afaka 50 taona isika dia ho voafefy ao anatina faritra iray. Natao hojerijeren’ny mpizahantany. Natao hampidi-bola ho an’ny vahiny izay ho lasa tompon’ity Madagasikara ity atsy ho atsy… », hoy ny mpampianatra mpikaroka iray. Valin-teny mampieritreritra fa valin-teny mety hampitodika ny Malagasy any amin’ny faka tena maha izy azy ihany koa!

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique