Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Lalao afrikanina” – Basikety: nandresy an’i Ginea ny Malagasy

Ankoatra ny taranja ady totohondry, ny taekwondo ary ny tenisy ambony latabatra, niakatra an-kianja, omaly, ihany koa ny taranja basikety, ao anatin’ny “Lalao afrikanina” tanterahina any Maraoka. Efa nitarika tamin’ny isa 19 no ho 14 ny Malagasy teo amin’ny faha-18 minitra nilalaovana. Tsahivina fa azo lazaina ho tafiditra anaty vondrona mahafaty ihany isika satria tafaraka amin’ireo sangany amin’ity taranja ity aty Afrika, ahitana an’i Egypta sy i Maraoka, eo ihany koa i Kenya ary i Ginea Ekatoraly. Ity farany no nifanandona tamintsika, omaly, ka nandresentsika 21 no ho 14.

Ho amin’ny rahampitso, hanomboka ihany koa ny fifaninanana ho an’ny taranja tenisy, handraisan’ny Malagasy anjara. Mbola hitohy ny an’ny taranja tenisy ambony latabatra sy ny taranja ady totohondry.

Hatreto, i Alzeria no mitarika amin’ny isan’ny medaly, manana medaly miisa 18 ka volamena ny enina amin’izany, manaraka azy ao i Egypta, manana medaly 17 ary ny fahatelo kosa ny mpampiantrano, manana medaly miisa 13.

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique