Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanodinkodinam-bolam-panjakana: hiakatra fitsipi-pifehezana ireo talen’ny minisitera…

Fanodinkodinam-bolam-panjakana: hiakatra fitsipi-pifehezana ireo talen’ny minisitera…

Tafiditra amin’ny toromarika sy ny baiko nomen’ny filoham-pirenena. Hiakatra eo anivon’ny filankevitry ny fitsipi-pifehezana momba ny tetibola (CDBF) ireo olona miisa 17, ahitana tale jeneraly sy tale, ny tompon’andraikitry ny tsenambaro-panjakana (PRMP), ny prefet sy ben’ny Tanàna. Avy amin’ny minisitera maromaro ireo olona ahina ho voasaringotra ireo.  Anisan’ny antony hanadihadiana azy ireo ny fanodinkodinana volam-panjakana sy  fandaniana mihoa-papana. Anisan’izany ny fampiakarana avo folo heny ny vidin’entana hilaina amin’ny asam-panjakana. Eo koa ny fakana vola ao amin’ny tahirimbolam-panjakana  tsy misy antony. Ny fanaovana taratasim-bola roa mitovy amin’ny zavatra iray…  Nampahafantarin’ny tetsy amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana (MTEFPLS), etsy 67 ha, afakomaly, ny momba izao raharaha izao, niarahana tamin’ny tale eo anivon’ny minisiteran’ny Asa, Ravelonarivoelison, sy ny avy amin’ny CDBF, Rakotomalala Juliard.

Lamandy hatrany amin’ny 30 miliara Ar

Anisan’ny sazy miandry ireto olona ireto ny fandoavana onitra 300 000 Ar hatramin’ny 30 miliara Ar. Nilaza ny eo anivon’ny minisitera tsirairay fa efa miezaka amin’ny fampiharana ny fitsitsiana, araka ny politika irosoan’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Eo koa ny fanaraha-maso ny fandaniam-bola amin’ny lafiny rehetra amin’ireo mpikirakira volam-panjakana. Ny fampiasana ny volam-panjakana araka ny tokony ho izy. Nohazavaina  tamin’izany koa ny fahampahafantarana ataon’ny CDBF ny amin’ny tokony hatao momba ny  fandaniana volam-panjakana amin’ireo sampandraharaha mikirakira izany.

Synèse  R. 

Les commentaires sont fermées.