Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: havadika sakafom-biby ny lafarinina lany daty

Toamasina: havadika sakafom-biby ny lafarinina lany daty

Nanomboka ny 14 aogositra teo ny fanaovana lavanty ny entana tsy navoakan’ny tompony ao amin’ny fadin-tseranan’i Toamasina. Entana lany fetr’andro ao amin’ny toeram-pitahirizana ao amin’ny orinasa MICTSL sy ny SMMC. Anisan’izany ny lafarinina, ao anaty kaontenera miisa 24. Manamarika ny tompon’andraikitry ny fadin-tseranana Toamasina fa tsy miaraka amin’ireo entana, natao lavanty, ny 14 aogositra ireo, ny lafarinina fa amin’ny 27 aogositra ho avy izao. Amin’ny volana desambra vao tena lany fe-potoana azo ohanina ireo lafarinina ireo, saingy na izany aza, tsy azo hohanin’ny olombelona intsony fa havadika ho sakafom-biby. Fantatra koa fa tsy natao ho an’ny besinimaro ny lavantin’ireo fa natokana ho an’ny orinasa na mpandraharaha manokana misehatra amin’ny famokarana sakafom-biby.

Ankoatra ny taratasy mikasika ny hetra, mila maka fahazoan-dalana manokana any amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ny mpandraharaha na orinasa hanodina azy, ho arofanina tsy hiparitahan’ny lafarinina eny amin’ny tsena.

Sajo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.