Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kung fu Wisa: voahosotra ho grand maître maneran-tany i Avoko

Kung fu Wisa: voahosotra ho grand maître maneran-tany i Avoko

Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Temple kung fu Ambatomirahavavy, ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ho grand maître ny kung fu Wisa an’i Avoko, izay manan-kery eo anatrehan’ny federasiona iraisam-pirenena. Mpikatroka anarivony sy olo-manan-kaja maro malagasy sy sinoa no tonga nanome voninahitra ity fotoan-dehibe ho an’ny taranja kung fu Wisa malagasy ity. Lanonambe ny nentina nanamarihana ny fotoana ary nisy ny fampisehoana nataon’ny grand maître Avoko nandritra izany. Nisy ny fombafomba natao, norafetin’ireo loholona eo amin’ny kung fu Wisa. Nanolotra ny sabatra ho an’i Avoko ho fanomezana fahefàna feno azy ho grand maître ny kung fu Wisa maneran-tany ny vadin’ny grand maître Pierre Mizael.

Nanome toky ny grand maître Avoko fa hitondra sy hitaiza ny Malagasy ao anatin’ny kung fu Wisa ho amin’ny lala-mahitsy hatrany hananan’izy ireo fahombiazana amin’ny fiainana. “Fianarana fiainana ny kung fu Wisa fa tsy daka sy totohondry fotsiny”, araka ny nambaran’i Avoko. Tsahivina fa 40 taona izao ny nanaovany ity taranja ity ary vonona izy ny hampiroborobo izany hatrany, hanitatra ny ambaindain’ny kung fu, na eo amin’ny fampiofanana, na eo anivon’ny klioba ary indrindra, ny fampitomboana ny isan’ny mpikatroka. Mbola hitohy hatramin’ny taona ho avy ny fankalazana ity faha-40 taona nanaovan’ny grand maître Avoko ny kung fu Wisa ity.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique