Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

ZEI: fampiroboroboana ny indostria

Hamoraina ny fananganana indostria eto Madagasikara. Voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) fa hatsangana ato anatin’ny enim-bolana, izany hoe, mialoha ny faran’ny taona 2019, ny Antokon-draharaha ho fitantanana ny Faritra fisandratana indostria (ZEI). Andraikiny ny handrafitra ny paikady ho an’ireo faritra indostrialy eto amintsika ka hatomboka any Moramanga, any Taolagnaro, any Antsirabe ary any Mahajanga ny fametrahana azy.

Hivoaka ny volana oktobra 2019 koa ny didim-panjakana hanatanterahana ny Lalàna hampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (LDIM), laharana 2017-047, nivoaka ny 29 janoary 2018. Tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana koa ny fameloma-maso sy ny fampandehanana indray ny orinasam-panjakana lehibe misedra olana, toy ny Jirama, ny Air Madagascar, ohatra.

Hatsangana koa ny rafitra manamora ny fananganana orinasa, manampy sy manohana ny tanora mpandraharaha. Miisa telo ny hatsangana, any Vakinankaratra, any Toamasina ary any Atsimo Andrefana.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.